- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanalina : Rombo niafara tamin’ny tsindrona antsy, tovolahy iray maty

Andranomanalina : Rombo niafara tamin’ny tsindrona antsy, tovolahy iray maty

Raikitra ny rombo tetsy amin’ny toerana fanaovana « babyfoot » iray tetsy Andranomanalina, omaly tolakandro. Vokany, tovolahy iray manodidina ny 20 taona teo ho eo no namoy ny ainy, vokatry ny tsindrona antsy nahazo ny fony. Kilalao ankafizin’ireo tanora maro tokoa eny amin’ireny faritra ireny ny lalao « babyfoot ». Mazava ho azy fa tsy kilalao fe kilalao izy amin’izay fotoana izay fa tsy maintsy misy vola ao ambadika. Ary izany matetika no mahatonga ady saritaka rehefa tsy milamina ny ara-bola. Ary inoana fa izany no antony nahatonga ity rombo teny Andranomanalina ity. Niantomboka tamin’ny fifamaliana tsotsotra mantsy ity zava-nitranga ity, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Nandeha ny taim-bava isan-karazany. Nisy iray tamin’izy ireo no tsy nahatanty ka avy hatrany dia nanainga tanana. Velona teo ny sakoroka teo amin’ireto andian-jatovo ireto. Ary dia niafara tamin’ny tsindrona antsy mihitsy aza izany. Voa teo amin’ny tratrany ny iray tamin’ireto tovolahy ireto. Nijininika ny rà. Noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ihany saingy tsy avotra intsony ny ain’ilay naratra. Ny somary mahavariana sy nampametra-panotaniana ny maro tamin’ity tranga ity dia ny hoe efa vonon-kamono mihitsy ve ireto andian-jatovo ireto. Matoa, avy hatrany, dia misy zava-maranitra mipoitra tampoka raha vao raikitra ny rombo, ary tsy misalasala mihitsy ny sasany mampiasa izany. Fantatra fa efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny  ity raharaha vono olona ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici