- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Halatra fandri-baratra, mpiambina ny fiangonana maty ...

Ambositra : Halatra fandri-baratra, mpiambina ny fiangonana maty voatifitra

Raha somary nangiginana tato ato ny halatra lakolosy, dia tsy mandry loha indray ny vahoaka amin’ny  halatra fandri-baratra; izay hita fa miha mahazo vahana. Tamin’ny fanombohan’ity herinandro ity dia  jiolahy  miisa efatra no tazan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambatomenaloha, kaominin’Ankazoambo, ao anatin’ny distrikan’ Ambositra. Jiolahy efatra no nanatanteraka ny asa ratsiny amin’ny fangalarana fandri-baratra tao amin’ny fiangonana katolika sy protestanta Fjkm. Vokatr’izany, dia nahatsikaritra ireo mpangalatra ny mpiambina ao amin’ny fiangonana Fjkm ka niantso vonjy. Teo ity rangahy ity no maty voatifitr’ireo jiolahy.  Nitrangana zavatra toy itony ihany koa tao Maharivo-Imito, ao anatin’ny distrikan’i Fandriana, andro vitsivitsy mialoha, ka lasa tamin’izany ny fandri-baratry ny fiangonana katolika. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’izany. Fantatra ihany koa tao Manarintsoa-Ambositra, herinandro vitsy izay, fa nisy ny andian-jiolahy nanafika  tranombarotra iray tamin’ny alalàn’irony “fleche” irony, ka ny vy “fera rond” tapatapaka norangintana no natao bala. Naratra tamin’izany ilay tompon’ny tranombarotra. Fotoana fohy taty aoriana, dia tonga any an-toerana ny polisy, saingy tsy hita intsony ireo jiolahy.   Vokatry ny “délestage” misy, satria maty amin’ny folo ora alina ny jiro, dia marefo dia marefo ny fandriampahalemana eto an-tanànan’Ambositra ka miaina anatin’ny tebiteby lava ny vahoaka.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici