Tao anatin’ny torimaso tanteraka ny tompon’ ireo tsena no tonga ny mpanafika. Tsenam-barotra roa no indray voaroba tao anatin’ny fotoana fohy ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny iray ora maraina, tany Nosy varika. Jiolahy miisa sivy no nanatanteraka ny fanafihana tamin’izany. Noraofin’ireto olon-dratsy izay vola maty rehetra tao amin’ireo tsena roa voalaza etsy ambony. Ilay voalohany dia nahaverezana vola mitentina 600.000 ar niampy entam-barotra maromaro. Nisy kitapo anankiroa feno voan-kafe ihany koa nentin’izy ireo. Tsy nionona fotsiny tamin’izany anefa ireto mpanafika fa mbola nalainy ihany koa ny fitaovana lafovidy tao an-trano, toy ny “Baffle, ampli, lecteur DVD”. Tsy nanaiky mora foana ny tompon-trano ka niezaka nanakana ireto jiolahy. Naratra araka izany ny raim-panakaviana noho ny fiarovany ny fananany. Samy very vola na ny andaniny na ny ankilany teto. Ilay tsena faharoa nandalovan’izy ireo ihany koa mantsy dia very vola 400.000 ar. Toy ilay teo aloha dia nandroaka ny entam-barotra izay azo nobataina rehetra ireo olona sivy tonga nanafika ireto. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity trangam-panafihana ity raha araka ny nambaran’ny zandary avy ao amin’ny brigady Nosy Varika izay nandray an-tanana ny raharaha. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireto olon-dratsy ankehitriny.
Kanto R. (Stagiaire)