- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Ombin-tsarety very, lohan'omby sy taolana sisa navelan'ny mpangalatra

Toliara : Ombin-tsarety very, lohan’omby sy taolana sisa navelan’ny mpangalatra

Ombin-tsarety iray nifatotra niraoka bozaka teo an-tokotany no very, ny harivan’ny alarobia lasa teo, tany Tsianisiha distrikan’ i Toliara II. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona teo an-tanàna ny alin’io ihany rehefa tsy hita ity omby. Nitohy ny narain’ny alakamisy teo izany, ka akory ny hatairan’ireo mpanaran-dia sy ny tompon’omby nahita fa ny lohan’ ilay omby very sy taolana sisa navelan’ ireo mpangalatra “Rainizavona” tao anaty kirihitr’ala. Mbola tsy hita kosa hatramin’izao izay nahavanona an’ity halatra omby hafakely ity, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Vangaindrano

700 Ariary ny iray kapoaka amin’ny fotsim-bary

Raha manomboka mihem-bidy ny iray kapoaka amin’ny vary fotsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina, dia mifanohitra amin’izany ny zava-misy any Vangaindrano, any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, satria tafakatra 700 Ariary ny kapoaka amin’ny fotsim-bary eny an-tsena any an-toerana. Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity no nisian’ io fiakaram-bidy io, ka mampimenomenona ny vahoaka. Noho ireo mpamongady sy mpivarotra sasany manararaotra manafina ny vary misy manodidina ny 60 taonina eo ho eo, hoy ny ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, dia ahiana mbola hiakatra ny vidim-bary amin’ny herinandro ambony io, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra sy hentitra, satria raha ny fantatra dia tsy sahy misava ireo mpitondra any an-toerana, ary any Vangaindrano rahateo tsy misy sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana, ka miliba ireo mpampahory vahoaka noho ny tombontsoa manonkana vokatry ny fitiavan-tena.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici