Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ? no nitranga ity tifitifitra ity tetsy Ambatobe, ilay l0lana mizotra miakatra ny « Le Panoramique » iny. Nisy fiara roa nifanenjika ka raha araka ny tatitry ny zandary, dia fiara tsy mataho-dàlana miloko volondavenona ilay iray avy ao aoriana ary fiara miloko manga kosa ilay nenjehina. Vazaha no filazan’ny olona ny tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dàlana. Teo amin’ny fiakarana no tratrany ary nosakanany ilay karàna. Rehefa tsy afa-nihetsika intsony ny fiara, dia norarafany tamin’ny basy amin’izay. Bala roa teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny tànany no nitarika ny fahafatesany avy hatrany. Vita izay dia nitsoaka ilay vazaha tao anaty 4X4. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary omaly alina ihany ary natao ny « bouclage » ny toerana rehetra mety hizoran’ilay fiara. Arahina ny tohin’ny raharaha androany. Raha ny fijery mahitsy dia mety ho « règlement de compte » no nitranga. Na izany aza toa mampanontany tena ihany ny fisian’ny vazaha marobe izay manana basy eto amintsika ary misetrasetra etsy sy eroa. Efa im-betsaka no nitenena an’izany an-gazety, saingy toa tsy mba misy ny tena fandraisana andraikitra amin’ny endriny masiatsiaka kokoa avy amin’ny manampahefana. Asa raha mba ny Malagasy no manao heloka bevava toy izany any an-tanin’izy ireo any, mety ho afa-maina ve ? Mila mifanampy ny mpitandro ny filaminana ary tsy ho matin’ny kolikoly amin’ny fanaraha-maso sy fampiharana ny lalàna amin’ny vazaha eto Andrenivohitra izay maro mpisetrasetra loatra…
D.R