- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKidnapping : Molou Irefan, tsy mbola hita hatramin’izao

Kidnapping : Molou Irefan, tsy mbola hita hatramin’izao

Ny 10 febroary no nisy naka an-keriny teo Ivandry, ilay tovolahy antsoina hoe Molou Irefan, 25 taona. Nanomboka teo izy no tsy hita popoka intsony. Ankehitriny dia miahiahy ny fianakaviana satria tsy misy taratra na maty na velona ny zanany. Efa nampandrenesina ny masoivohon’ i Frantsa eto amintsika ary torak’izany ihany koa ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny. Ankehitriny dia misintona ny lakolosy fanairana ny fianakaviana, satria toa tsy hita hatreto izay fivoaran’ny fanadihadiana izay efa nataon’ny isan’ambaratongany. Matetika dia isan’ny hialan’ny mpitandro ny filaminana bala ny hoe tsy nety niara-niasa taminy ny fianakavian’ireo olona nisy naka an-keriny, hany ka tsy afaka ny nandeha lavitra ny fanadihadiana momba izany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, dia tena nampandrenesina ny rehetra ary andrasana izay mety ho valin’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici