Lehilahy iray antsoina hoe H., 26 taona, gaigilahy amina resaka fisolokiana no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny herinandro lasa teo, teny amin’iny faritra Ambatomainty iny. Efa tena kalaza tokoa amin’ity asa ratsy ataony satria dia fantatra fa ampatoriany amin’ny alalan’ny fanafody ireo olona izay hosolokiany. « Tamin’ny famotorana natao azy no nilazany fa “valium” no fanafody nampiasain’izy ireo nentina nampatoriana ireto olona very camion ireto ka plaquette iray no araraka ao anaty ranom-boakazo iray. Matory mandritra ny 4 ka hatramin’ny adin’ny 6 eo ho eo izay misotro azy ity ». Voarohirohy tamina resaka halatra fiarabe marika « Mercedes 709 » tany amin’iny faritra Antsirabe iny ity lehilahy ity. Fiarabe izay, voalaza fa hoe hitanterana entana aty Andrenivohitra kanefa, noho ny asa ratsin’i H. sy ny namany dia nanjavona ilay fiara, ny volana desambra lasa teo. Nampatorian’ireto olon-dratsy tamin’ity fanafody ity mantsy ireo olona niaraka tamin’ilay kamiô, ny tompon’ny fiara, ny mpamily ary ny mpanampiny, ary dia lasan’izy ireo ilay fiara. Marihana fa efa niakatra fitsaràna tany Antsirabe ity raharaha ity saingy mpanera iray no nidoboka am-ponja, ary mbola nifampitadiavana i H. sy ny namany. Tetsy andanin’izay, nisehoana fisolokiana ka nahaverezana fanitso maromaro ihany koa tamina tranombarotra iray, tetsy Anosibe, ny volana janoary lasa teo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa ity H. ity ihany no tao ambadika. Natao avy hatrany ny fikarohana ka izao tratra izao ny lehilahy. Tsy miasa irery izy fa misy namany maromaro miray tsikombakomba aminy amin’izany. Efa eo an-dalam-pikarohana ireto farany ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Efa natolotra ny Fampanaovana omaly ihany moa ity mpisoloky hikoizana ity.
m.L