- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Fasana telo nisy namaky, niparitaka ny razana

Manjakandriana : Fasana telo nisy namaky, niparitaka ny razana

Navoaka ireo razana sisa tsy nisy naka, dia nokarakaraina

Mitohy hatrany ny vaky fasana any ain’ny kaominina manodidina an’i Manjakandriana. Ny asabotsy lasa teo no tsikaritry ny olona tao amin’ny fokontanin’Ankazotokana-Atsimo, eo anivon’ny kaominina Ambatomena Manjakandriana, ny fisian’ny varavaram-pasana izay nisokatra fotsiny. Rehefa nozohina, hay nisy namaky izany ary nisy nangalatra ny razana maro tao am-pasana. Telo ireo fasana niharan’izany raha araka ny vaovao azo avy tany an-toerana. Ny maraina no nigadona teo an-toerana ny manampahefana teo an-toerana. Ny ben’ny tanàna, ny zandary, ny lehiben’ny fokontany ary notronin’ireo zana-drazana. Nandritry ny fizahana ny fasana dia tsikaritra fa, efa niparitaka ambony ambany ny tao anatiny tao. Tao amin’ny iray amin’ireo toerana dia lasa avokoa ny taolam-balo rehetra . Tsy nisy afa-tsy ny faty lena iray izay vao nalevina tamin’ny herintaona sisa  no najanon’ireo olon-dratsy. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny tao amin’ireo fasana roa ambiny, saingy mbola naparitak’ireo mpangalatra taolam-paty ambony ambany ireo taolam-balo tsy nilainy. Nanapa-kevitra ireo olona teo an-toerana ny namoaka ireo taolam-balo sisa tsy lasa ary nikarakara an’izany talohan’ny namerenana indray izany tao am-pasana. Manao antso avo ankehitriny ny fianakaviana maro amin’iny vakin’i Mananara iny satria misesy loatra ny vaky fasana. Mbola mitazona ny fomba « tsy misara-mianakavy » iny toerana iny ary marobe ny razana indray milevina ao amin’ny fasana iray. Raisin’ny fianakaviana ho ambana lehibe hoazy ireo ny fisian’ny vaky fasana tato ho ato ary miandry ny valin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ary koa izay mety ho fandraisana andraikitry ny manam-pahefana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici