Tsy milaza mialoha tokoa ny loza rehefa ho avy, ary patsa iray tsy omby vava. Raim-pinakaviana iray 65 taona eo ho eo no maty rehefa nazeran’ny bisikileta nentiny, ny antoandron’ny asabotsy teo, tao Andatabo Toliara, amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Raha ny vaovao voaray, dia handeha hivarotra saribao ao an-tampon-tanànan’i Toliara ity lehilahy lehibe ity no tra-doza teny an-dàlana izao, rehefa nandeha nirimorimo mafy tamin’ny bisikileta tamin’ny fidinana sady fiolahana, kanefa nisy omby nanapaka tampoka ny arabe. Niala izany ilay rangahy ka tsy voafehiny intsony ny familiana, ary latsaka tamin’ny lakandrano vato amin’ny sisin’ny arabe. Noho ny dona nahazo azy, dia naratra mafy teo amin’ny lohany izy, ary tapaka ny tànany havanana. Nentin’ny nanatri-maso ny loza namonjy tobim-pitsaboana ity niharan-doza, kanefa noho ny fahaverezan-drà be loatra nahazo ity rangahy ity, dia tsy tàna ny ainy.
Eric Manitrisa