Tovolahy iray, niaraka tamin’ny rainy no nianjeran’ny hatezeram-bahoaka rehefa voalaza fa nangalan-jaza tao amin’ny kaominina Mananasy, any amin’ny distrika Soavinandriana. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia nisy fahaverezan-jaza tao amin’ity kaominina ity ny herinandro lasa teo. Tamin’io fotoana io anefa, nisy nahita ny tovolahy iray, izay tsaroan’ny olona fa nitondra ity zaza very ity. Avy hatrany dia nosamborin’ny olona avy hatrany ity farany ka velona teo ny daroka sy vono. Soa ihany anefa fa nalaky tonga ny tompon’andraikim-panjakana iray, niezaka niaro ilay tovolahy ary nitondra azy tany amin’ny biraon’ny zandary tany Soavinandriana. Noho ny tahotry ny mety ho firongatry ny hatezeran’ny olona dia nafindra toerana haingana tany amin’ny biraon’ny Vondrom-pileovan’ny zandary ilay tovolahy. Mbola nitohy ihany tetsy andanin’izay ny fikarohana ilay zaza very, ka tany amin’ny rain’ilay tovolahy indray ireo fokonolona no namatratra. Ity farany izay efa notanana tany amin’ny zandary. Nalain’ireto andian’olona ireto ity raim-pianakaviana ity ka nampiharan’izy ireo ny hatezerany, ary novonoin’izy ireo teny an-dalana. Niditra an-tsehatra avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana niezaka nandamina ny savorovoro. Nanaiky nilamina ihany ireto fokonolona ary efa niroso tamin’ny famotorana ireto olona voarohirohy ireto izy ireo zandary any amin’iny faritra iny. Fantatra ihany koa fa efa milamina tanteraka ny teo-draharaha ny an-toerana.
m.L