- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversPôlisy matin’ny fitsaram-bahoaka : Efa mandeha ny famotorana

Pôlisy matin’ny fitsaram-bahoaka : Efa mandeha ny famotorana

Fantatra fa, efa mandeha ny famotorana mahakasika ilay fitsaram-bahoaka nahafaty pôlisy roa, tany Ambalamanga, Befandriana avaratra, ny faran’ny herinandro teo. Natomboka tamin’ny ray aman-drenin’ireto mpitandro filaminana namoy ny ainy ireto izany, araka ny fampitam-baovao azo. Ary ny azo inoana dia hitohy amin’ireo fokonolona nandray anjara tamin’ity famonoana mpitandro filaminana ity. Tsiahivina fa, pôlisy voairaka hisambotra olona tany amin’ity tanàna ity, izay raha ny fantatra hatrany dia sady toerana lavitra andriana amina kilaometatra maromaro miala an’i Befandriana avaratra no mbola saro-dalàna rahateo. Efa vitan’izy ireo ny iraka nampanaovina, saingy nosakanan’ny olona tsy hivoaka ny tanàna izy ireo niaraka tamin’ilay olona nosamboriny. Tsy vitan’ny fisakanana fe fisakanana anefa izany, fa niaraka tamin’ny fikasihan-tànana ireo mpitandro filaminana ireto. Tora-bato, tsindrona zava-maranitra, sns ary dia iny niafara tamin’ny famoizan’izy ireo ny ainy iny. Nalain’ireto andian’olona ireto, ny basin’ireo pôlisy, saingy efa narian’izy ireo tsy lavitra ny toerana, ary efa tsy misy bala intsony. Marihana, hoy ny loharanom-baovao fa, hatramin’izao dia mbola tsy tonga ao Befandriana avaratra ny vatana mangatsiakan’ireto mpitandro filaminana namoy ny ainy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici