- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaràna voatifitra tetsy Ambatobe : Efa tonga any Maorisy izy mianaka

Karàna voatifitra tetsy Ambatobe : Efa tonga any Maorisy izy mianaka

Fantatra fa, efa tonga any Maorisy ilay karàna nisy nitifitra tetsy Ambatobe, ny alahady lasa teo, niaraka tamin’ilay zanany lahy. Vonjy aina no natao azy mianaka teto amintsika ary nafindra tany mba hanohy ny fitsaboana. Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana fa, avy hatrany dia nampidirina tamina hôpitaly iray ao Curepipe, iray amin’ireo tanàn-dehibe any Maorisy izy mianaka raha vao tonga tany an-toerana. Ary toeram-pitsaboana manana ny maha-izy azy any ity hôpitaly nitondrana azy ireo ity. Tsiahivina fa, ny alatsinainy teo no nalain’ireo fianakaviany tetsy amin’ny hôpitaly Hjra Ampefiloha izy mianaka ireto, rehefa nahazo ny fitsaboana voalohany, nahavotra ny ain’izy ireo. Araka ny filazan’ireo fianakaviana, dia tsy sanatria tsy fahatokisana ny fitsaboana eto amintsika no antony nandefasana azy ireo any Maorisy, fa noho ny fahasahiranan’ny fianakaviana, izay saika any avokoa, mikarakara azy ireo. Ny alahady lasa teo ity karàna ity no tratran’ny tsy nampoizina raha iny izy handeha hody teny Ambatobe iny, niaraka tamin’ny zanany. Bala maromaro no niantefa teny amin’izy mianaka, tamin’io fotoana io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici