- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIsotry : Akanjo vao novidiana teo amin’ny fripy nalain’ny mpanendaka

Isotry : Akanjo vao novidiana teo amin’ny fripy nalain’ny mpanendaka

Tsy mitsaha-mivoatra ny fomba fiasan’ireo mpanao asaratsy eto an-drenivohitra. Nisy olona vao avy nividy akanjo teo amin’ny friperie. “Blouson cuir” no nalainy teo ary nitentina 62.000 ariary ny vidiny. Nisy nanaraka ilay lehilahy ary rehefa  niala lavidavitra teo amin’ilay mpivarotra dia nasaina nijanona tamin’izay. Efa-dahy izy ireo no nitangorona avy hatrany ary nilaza fa azy ireo ny akanjo. Mbola nampiany aza fa fantany daholo ny momba io akanjo io, hatramin’ny marika sy ny zavatra ao am-paosy anatiny. Dia nojerena ary tena nitombina tokoa. Niparitaka tanteraka ny lohan’ilay olona satria vao avy nividy ny entana. Izy indray no noteren’ireo mpanendaka hoentina eny amin’ny pôlisy raha tsy manome ny akanjo. Ny hany heriny, sady be noho ny vitsy rahateo, dia ny nanome izany. Nafoiny tanteraka ny akanjo vao avy novidiana mba tsy hitaran’ny olana. Mivoatra ny fanendahana ankehitriny ary mila arahin’ny mpanao fanadihadiana avokoa izany fivoarana rehetra izany mba hanamorana ny asan’izy ireo. Na izany aza dia mipetraka ihany ny fanontaniana ny amin’ny fomba nahaizan’ireo jiolahy tsianjery ny mombamomba ilay akanjo fripy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici