- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanelatra : Jiolahy nifanandrina tamina mpiambina, maty tsy tra-drano

Andranomanelatra : Jiolahy nifanandrina tamina mpiambina, maty tsy tra-drano

Nitrangana fanafihan-jiolahy  tao amina tanan’olona iray mpamboly “geranium” ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Andranomanelatra. Tao amin’ny Tanana antsoina hoe Ambolotsararano Tanana kely iray somary mihataka kely ny renivohitry ny kaominina no misy azy ity. Ny Talata hariva teo, lehilahy maromaro no nikasa hiditra an-keriny tao raha ny filazan’ny  fampitam-baovao hatrany, voalaza mantsy fa vao avy nandoa ny karaman’ny mpiasa tao amin’ity toerana ity ny mpampiasa. Tsy nampoizin’ireo jiolahy anefa fa sahy nanohitra ireo jiolahy ireo ilay mpiambina ny Tanana ka maro tamin’ireo mpandroba no avy hatrany dia nandositra . Jiolahy iray sisa tavela ary io no nifampitana totohondry  tamin’ilay mpiambina teo. Tsy natohotra ilay mpiambina ity jiolahy ka tapitra hatramin’ny  ainy  mihitsy. Feon’olona miantso vonjy no ren’ny fokonolona hoy hatrany ny fampitam-baovao ka nanaitra ny mponina nizaha ilay antso. Fatin’olona efa mivalampatra teo ivelan’ny trano anefa no novantanin’ny fokonolona. Nisy nilaza ho mahafantatra ity lehilahy ity ny sasany ary nilaza fa vao avy nivoaka ny fonja tamin’ny volana Desambra teo io maty io. Ny ampitso marainan’io tranga io moa vao fantatra fa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy nety naka sy nitondra ny razana rahateo ny fokonolona eny fa ny fianakaviana nahita azy teo aza tsy nisy sahy nitonona. Voatery niandry ilay tompon’ny Tanana avy eto Antsirabe vao nisy naka ilay razana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici