- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Roalahy nisoloky 100 tapitrisa ariary voasambotra

Mananjary : Roalahy nisoloky 100 tapitrisa ariary voasambotra

Jiolahy roa tamin’ny telo nisoloky 100 tapitrisa ariary tamina varotra vilany lafo vidy no voasambotry ny polisy tany Mananjary, afak’omaly.  Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana any an-toerana, dia mitondra ny sarin’ilay vilany ireto jiolahy mba entin’izy ireo handresen-dahatra ny mpividy miaraka amin’ny antontan-taratasy fifanarahana ara-barotra hafa. Lazain’ireto mpisoloky fa mangataka andro lava amin’ny fandoavana vola ilay tokony hividy ity vilany efa nanome vodiondrim-barotra, ka mitady olona hafa sahy hividy ambonimbony kokoa noho ny teo aloha izy ireo.  Mampiasa fonoka sy ody gasy mahery. Rehefa resy lahatra ny mpividy vaovao vonona handoa vola avy hatrany, dia atao ny fifanarahana ara-barotra ara-taratasy vaovao, ary milaza amin’ny voasoloky efa tratran’ny fandraikiraikena amin’ny fonok’ ireto jiolahy, fa alaina amin’ny namany anankiray voalaza fa miandry ao anaty fiara ilay vilany be lafo vidy fa mavesatra, dia amin’ iny ireto mpisoloky no miezaka mandositra mitsoaka. Nametraka fitoriana ny niharam-boina, ary napetraka ny vela-pandrika, ka izao tra-tehaka tsy afa-niala izao intsony ny roa tamin’ ireo jiolahy mpisoloky. Mbola karohina fatratra kosa hatramin’izao ny naman’izy ireo iray antsoina hoe : Jess, voalaza fa nitondra ny vola 100 tapitrisa ariary mahery nitsoaka. Vahiny ao Mananjary moa ireto mpisoloky tra-tehaka ireto, ka atolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity ihany aorian’ny famotorana ataon’ny polisy azy ireo, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici