- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Befandriana Avaratra : Olona 31 hatolotra ny Fampanoavana

Raharaha Befandriana Avaratra : Olona 31 hatolotra ny Fampanoavana

Tafakatra 31 hatreto ny isan’ireo olona voarohirohy tamin’ilay resaka famonoana pôlisy nitranga tany Ambalamanga Befandriana Avaratra, tapa-bolana lasa izay. Raha tsy misy ny fiovàna dia tokony ho anio no hiakatra Fampanoavana ao Antsohihy ireto olona voarohirohy ireto. Nambaran’ireto tompon’andraikitra fa tsy ao anatin’ireo velively ny ben’ny tanàna sy ny lefiny izay voalaza fa voasambotra. Tiana ny mitondra fanazavàna, hoy ny fanazavàna azo tamin’ireo tompon’andraikitra, fa tsy nisy ny fisamborana ireto olom-boafidy ireo. « Ny mifanohitra tamin’izay aza no nisy, satria dia isan’ny nanampy betsaka ireo pôlisy tonga tany an-toerana, nanao fanadihadiana izy ireo. Teny an-dalana handeha hampody ireo razana ireto tompon’andraikitry ny tanàna ireto no nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana ka niangavian’izy ireo mba hiverina sy hanampy ireto farany », hoy ny fanazavàna azo. Mbola mifamahofaho tanteraka kosa hatreto ny mahakasika ilay doro trano an-jatony, tany Antsakabary. Iza no tena tompon’antoka ? Mbola baraingo hatreto. Ny fanadihadiana ataon’ireo voakasik’izany angamba no afaka hitondra valiny. Fa etsy andanin’izay dia fantatra fa hoe efa nisy delegasiona avy amin’ny fanjakana nandeha nidina tany an-toerana, nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici