- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Befandriana Avaratra : Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona 31...

Raharaha Befandriana Avaratra : Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona 31 voarohirohy

Omaly tolakandro no tonga tao Antsohihy ireo olona 31 avy any Antsakabary, Befandriana Avaratra, voarohirohy tamin’ilay resaka famonoana pôlisy roalahy, nirahina hisambotra olona tany an-toerana. Omaly efa tany amin’ny dimy ora sy sasany hariva  anefa vao nohenoina teo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana, tao amin’ny tribonalin’Antsohihy izy ireo, araka ny fampitam-baovao azonay avy any an-toerana. Hatramin’ny ora nanoratanay kosa dia mbola tsy nisy fanapahan-kevitry ny mpitsara nivoaka. Raharaha sarotsarotra tokoa ny nihenoana azy ireto ka heverina fa tsy vita ao anatin’ny minitra na ora vitsy monja izany. Etsy andanin’izay, loharanom-baovao hafa no nahenoana fa toa hoe tsy hahefa amin’ity raharaha ity ny fitsaràna ao Antsohihy ka mety toeran-kafa no hamindràna azy. Fa na izany na tsy izany, efa natolotra ny fitsaràna ity, ilay resaka famonoana pôlisy, aiza ho aiza kosa, hoy ireo mpanara-baovao ny mahakasika ilay doro trano ka nahafatesana olona iray, izay voalaza fa nataon’ireo mpitandro filaminana nandeha nisambotra ireto olona 31 ireto, tany Antsakabary ? Tsiahivina fa trano aman-jatony tafo teo no lasa lavenona, ary vaviantitra iray no namoy ny ainy tamin’iny fotoana iny. Hatreto tokoa mantsy, toa nangina tampoka iny lafiny iray tamin’ny raharaha tany Befandriana Avaratra iny, ary tsy nisy nahitan-teny intsony ireo tompon’andraikitra isanisany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici