- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversRarahaha Befandriana : Nivadika ny fiara nitondra ny mpanao fanadihadiana

Rarahaha Befandriana : Nivadika ny fiara nitondra ny mpanao fanadihadiana

Tsy mitsaha-mivoatra ny raharaha Befandriana-Avaratra ary tsy mitsahatra ny mitodika any ihany koa ny mason’ny mpanara-baovao. Isan’ny vaovao fantatra ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana izay nahazo ireo delegasiona mpitandro ny filaminana izay nalefa manokana tany mba hanokatra fanadihadiana. Efa vita ny asan’izy ireo ary efa nizotra nitodi-doha aty an-drenivohitra no nivadika tampoka ny fiara nitondra azy ireo, teo amin’ny lala-mahitsin’ny lalam-pirenena. Nivoaka ny lalana ary nivadika ambony ambany ny fiara Hyundai Getz izay nitondra ny delegasiona. Tsy nisy ny aina nafoy saingy maromaro kosa ny naratra raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Amin’ity raharaha ity dia isan’ny nidina any an-toerana ihany koa ny komisiona tsy miankina izay misahana ny fiarovana ny zon’olombelona, nandefa iraka manokana mba hahafantatra ny zava-nisy marina. Ny tatitr’io komisiona io dia tsy mijanona eto amin’ny firenena ihany fa alefa any amin’ny foiben’ny firenena mikambana ihany koa. Ankoatr’izay dia nanokatra komisiona manokana misahana ny fanadihadiana ihany koa ny governemanta ary mitovy avokoa ny tanjon’ireo izay any an-toerana dia ny fiezahana hamantatra ny marina. Ny handrasan’ny maro ankehitriny dia ny hoe hizotra mankany amin’ny famaizana ho an’ireo izay nandika lalàna ve ny valin’ireo fanadihadiana ireo sa rehefa miala fotsiny ny lehibeny dia mijanona hatreo ny raharaha? Hatreto ny mpitondra fanjakana rehetra dia nanameloka ny zava-niseho ary samy nilaza fa tsy maintsy hofaizina izay tompon’andraikitra tamin’ny fanaparam-pahefana. Asa raha hijanona fotsiny amin’ny teny izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici