- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Lehilahy nanendaka sy namono mpianatra, voasambotry ny pôlisy

67ha : Lehilahy nanendaka sy namono mpianatra, voasambotry ny pôlisy

Tsy mifidy asiana tokoa amin’izao ireo mpanendaka. Tovolahy iray manodidina 21 taona teo no voasambotry ny fokonolona ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka, teny amin’ny faritra 67ha iny, raha teo am-panendahana tovovavy iray handeha hianatra, ny alarobia lasa teo. Ny pôketran’ity mpianatra ity no nokendren’ilay olon-dratsy, kanefa voafikitra mafy izany. Rehefa tsy azon’ity olon-dratsy tamin’ny sinto-mahery izany, dia nampiasainy ny herim-batany. Daka mandrivorivo in’efatra no nihatra teny amin’ny tarehin’ilay vehivavy izay avy hatrany dia nidaboka tamin’ny tany. Afaka niantso vonjy ihany anefa ity farany, na dia teo aza ny ratra nanjo azy. Nanampy avy hatrany ireo naheno ary rafitra nanenjika ilay mpanendaka. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotra ity farany ary natolotra ireo mpitandro filaminana. Fa omaly, vaviantitra iray, mananika ny 70 taona ihany koa no lasibatry ny mpanendaka, tao anatina taxibe. Avy any Anjomakely  hihazo an’Andoharanofotsy ity ramatoabe ity. Araka ny fantatra, dia vola enina alina ariary, saika  hividianany  kojakoja sy sakafo mandritry ny iray volana ity lasan’ireo olon-dratsy ity. Tsy mifaditrovana tokoa ireto tontakely ireto amin’izao fotoana izao. Fomba fiadin’izy ireo vaovao indray mantsy ity mandroba ireo olona izay heverina fa osa sy malemy noho izy, toy ny vehivavy sy ny antitra. Ary ny tena zava-doza, dia tsy mampisalasala azy ireo indraindray ny mampiasa herisetra sy izay fitaovam-piadiana eny am-pelan-tanany rehefa tsy azony izay ilainy toa io nihatra tamin’ilay tovovavy mpianatra io. Raha ny mikasika ity mpanendaka voasambotra ity moa, dia omaly ihany izy no natolotra ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici