- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Ramatoa 58 taona maty voatsatoka antsy.

Ankaraobato : Ramatoa 58 taona maty voatsatoka antsy.

Nihosin-drà tokoa ilay  ramatoa niankohoka teo amin’ny tany izay heverina fa nahita ny endrik’ilay jiolahy iray sisa tao an-trano. Ny marainan’ny alakamisy teo no nanafika tao an-tokantranon’izy 3 mianaka ireto mpamaky trano rehefa avy nanapitsoka ny « grille de protection » teo am-baravarakely 

Maromaro ireo mpangalatra no nanao ny asa ratsiny ka ny sasany niandry tety ivelany ary ny iray kosa nibata sy namoaka ny entana . Efa tafavoaka tamin’izany ny fahitalavitra, ka teo am-pibatana indrindra ny zava-maneno no henon’ny tao an-trano fa tafiditry ny jiolahy ny tanàna. Niezaka nitsangana moa ity ramatoa mpiandry no sady nandroaka devoly tamin’ireto jiolahy.  Nifanehatra tamin’ity farany teo amin’ny lalantsara anefa ity ramatoa tompon-trano, ka avy hatrany dia noleran’ilay  mpanafika tamin’ny antsy ny ilany havia, sady nanao tari-dositra ilay lehilahy   tratrany tao anefitrano  fandraisam-bahiny . Nidaraboka tamin’ny tany ity renim-pianakaviana, ka niboiboika ny rà nameno ny trano. Nikoropaka ny tao an-trano ka ny iray namonjy ity reniny fa ny zanany iray kosa niantso vonjy tamin’ireo mpiara-monina manodidina. Tsy fantatra aloha na noho ny tahotra fa dia efa ora maromaro taty aoriana vao nisy sahy nivoaka nanampy sy nanontany izay zava-nitranga.

Tsy tana moa ny ain’ity ramatoa noho ny fahaverezan-drà be loatra nahazo azy sy noho ny hataran’ ny fizahana natao azy. Efa mandeha moa amin’ izao fotoana izao ny famotorana amin’izay mety ho nahavita ny heloka.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici