Nidedadeda ny afo teny amin’iny faritra 67ha iny, manakaiky ny Vatobe. Trano hazo sy biriky am-polony tany ho any no indray may kilan’ny afo tao anatin’ny ora vitsy monja. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no niantomboka ny afo, avy tao amina trano hazo iray teny an-toerana. Vetivety foana dia nihanaka teo amin’ny manodidina ny afo, nandevona ireo hafa : trano hazo sy trano biriky. Kamiôben’ireo mpamonjy voina, niampy fiara kely maromaro no tonga teny an-toerana niezaka nifehy ny afo. Efa tamin’ny valo mahery tany vao maty tanteraka izany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena fototry ny afo. Fiaran’ny mpitandro filaminana maromaro no tazana teny an-toerana, nahitàna ny pôlisy sy zandary, izay niezaka nifehy ny olona. Amin’ny trangan-javatra toy ireny moa tsy lavitra mihitsy ny olona mikasa ny hanakorontana sy hanararaotra ary handroba.
m.L