
Tsy nisy nanampo ny rehetra fa ho lasa lavitra ny fampiasan-kery sy fidirana an-kery tao an-tranon’olona tsy eo imason’ny tompony ary ny fampiasan’ny kaominina ireo “gros bras” amin’ny fandrobana ireo fananan’olona idiran’izy ireo. Ankehitriny dia fantatra araka ny vaovao marim-pototra voaray fa misy ny didy mampisambotra sy hanaovana fanadihadiana navoakan’ny fampanoavana tonga eny anivon’ireo mpitandro ny filaminana. Mitondra ny laharana “IST – 1121 – RP/17/EO/PR/FR” ny 03 martsa 2017 ity didy navoakan’ny fampanoavana ity, izay mahakasika ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra sy ny lefitra voalohany, izay tena tompo-marika tamin’izao raharaha izao, satria ny ben’ny tanàna dia mbola maka rivotra sy mamangy an-janany any ampitan-dranomasina. Raha ny angom-baovao natao dia raharaha roa no tena voasahan’ity raharaha namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ity, dia ilay famoahana ny entan’ny kaomiseran’i Moramanga tao an-trano nefa ny tenany sy ny vady manan-janany tsy tao an-trano, afa-tsy ny mpanampy ihany, nefa dia sahin’ireo “gros bras” voairaka ny namoaka ny entan’izy ireo teo amin’ny arabe. Teo koa ity tao Tanambao V izay saika niteraka sakoroka raha tsy tonga ny FIP nandamina ny raharaha niaro ny tompon-trano manana ny marina sy ny rariny. Nandritra izay anefa dia efa very ny vola sy ny firavaka ary ireo zava-pisotro tao am-pivarotana. Manginy fotsiny ny vadin’ny tompon-trano voan’ny totohondry ka mangana tanteraka ny masony sy ny tarehiny. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity, izay efa ho fantatra fa hivadika resaka politika, satria Mapar ireto nivoahan’ny didy fampisamborana sy hanaovana fanadiadiana avy amin’ny fampanoavana ireto…
Malala Didier