Samy nifanontany tena avokoa ny rehetra mahakasika ilay didy mampisambotra sy fanaovana fanadihadiana ny ben’ny tananan’i Toamasina Ratsiraka Elise Laurent, sy ny lefitra voalohany Ricky Dinh-Van Pagny, izay niampy ireo “gros bras” fampiasan’izy ireo; raha ny fanohizana ny angom-baovao dia resaka “fandratrana olona, fidirana an-keriny an-tranon’olona niampy halatra, no hanenjehana azy ireo.
Ny sabotsy teo no nanomboka nohenoin’ny polisy misahana ny raharaha, araka ny didy navoakan’ny Tonia mpampanoa lalàna. Naharitra ny fihenoana ireto fianakaviana mpitory ireto, teo anivon’ny polisy ny sabotsy misandratr’andro io. Nandritra izay no nampisehoan’ireto mpitory ny porofo rehetra amin’ny fahavoazana nahazo azy ireo tamin’ny fandratrana ny vadin’ny tompon-trano sy ny halatra nataon’ireo olona nirahina manokana nanao izany.Teo koa ny taratasy ara-dalàna eo am-pelan-tanan’izy ireo mikasika ny trano “cite beryl rose lot I” efa azy ireo araka ny didim-pitondrana laharana 30/CUT/DS/12 ny 31 mai 2012, noho ilay fanapahan’ny mpanolotsaina laharana 015/11/PCM/CUT/I ny 11 mai 2011.
Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa, hanomboka anio no hakana am-bavany ireo olona voatonona tamin’ity didy mampisambotra sy fanaovana fanadihadiana avy amin’ny Tonia mpampanoa lalàna ity. Fantatra anefa izao fa, tsy fisamborana araka ny didy no ataon’ny polisy amin’ireto voarohirohy ireto, fa fampiantsoana tsotra aloha amin’ny maha-“Olombe” azy ireo an-tanàna, ka efa nahazo ny azy raha ny vaovaon’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanana sy ireo “gros bras” nirahany.Mbola miandry amin’ny fahatongavany an-tanindrazana izay mbola manao fialan-tsasatra miaraka amin’ny fianakaviany any La Reunion koa, ny an’ingahy ben’ny tanana, izay tokony efa ho tonga amin’ity herinandro ity.
Didy nidina avy any amin’ny Tonia mpampanoa lalàna ity sahanin’ny polisy nandefasana ny fisamborana sy fanadihadiana ny raharaha ity, ka tsy maintsy misy noho izany ny antontan-taratasim-panadihadiana miverina eny anivon’ny Tonia mpampanoa lalàna mahakasika ny raharaha. Koa andrasana izay ho vokany, satria ankoatra ity fitoriana efa mandeha ity, dia re koa izao fa efa misy fitoriana hafa mbola miandry azy ireo eny anivon’ny fitsarana, izay mbola fidirana an-keriny miharo halatra tao an-tranon’olona ihany koa…
Malala Didier