Niainga teto Andrenivohitra izy ireo mba hihazo an’i Mahajanga, ny alin’ny asabotsy tokony ho tamin’ny folo ora. Tsy nanaraka ireny “cortège” ireny intsony, satria efa tara ny fiaingany. Teo amin’ny manodidina an’Ankazobe, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambohitsarabe no nisy omby nanakana ny lalàna. Teo amin’ny P.K 66 raha araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Vao nivoaka handeha handroaka an’izany haka sisiny dia nisy tifitra avy hatrany. Nazava teo fa, jiolahy mpanakan-dàlana no tompon’antoka. Norahonana nivoaka ny fiara tsy mataho-dàlana nentiny ilay karàna. Rehefa izany dia nasaina namoaka ny vola rehetra teny aminy. Manodidina ny 800.000 ariary no lasa ary nisy kitapo roa hafa ihany koa. Teo aloha, dia vatobe no apetraka eny an-dàlana mba hahafahana manapaka ny làlan’ireo mpampiasa fiara. Misy ihany ny mahasahy manitsy ireo vato sary ka na potika tanteraka ny fiara na mba afaka ny loza ihany saingy potika rehefa afaka kilaometatra vitsivitsy. Hafakely kosa ity nitranga omaly ity, satria omby mihitsy no nampiasaina hanakanan-dàlana. Mivoatra hatrany ny fiasan’ny jiolahy na an-drenivohitra na ambanivohitra ary koa eny amin’ny lalam-pirenena. Vao tamin’ny herinandro teo koa no nisy pôlisy maty voatifitra raha nandeha taxi-brousse tamin’ny lalam-pirenena fahafito. Miverina tanteraka izany ity karazam-panafihana ity ary ny tena ratsy dia tsy misalasala mampiasa basy ireo mpanao izany. Nisy fotoana, tsy maintsy manao andiany ny fiara maromaro izay vao afaka mandeha. Ankoatr’izay koa dia nisy ny fandefasana mpitandro ny filaminana iray isaky ny fiara mpitatitra mandeha amin’ny lalam-pirenena. Raha jerena amin’ny zava-misy ankehitriny anefa, dia toa mbola tsy mivaha ihany ny olona hatreto…
D.R