Zandary roa miasa eo anivon’ny Vondro-tobim-pileovana Analanjirofo no nosamborina tany amin’iny faritra Analanjirofo iny ny faram-paran’ny volana febroary teo. Antony, fikasàna hanao trafika fitaovam-piadiana mahery vaika sy fanaovana vola sandoka. Araka ny efa noahiahian’ny rehetra tokoa ny amin’ny firaisan’ireo mpitandro filaminana sasantsany tendro amin’ity resaka fiparitahana fitaovam-piadiana mahery vaika ity dia io tokoa fa nitranga izany. Basy « kalach » iray, niaraka tamina bala maromaro niampy vola sandoka eo amin’ny iray hetsy mahery teo ho eo no saron’ny zandary avy ao amin’ity vondron-tobim-pileovan’ny zandary ity tany amina telolahy. Ny iray tamin’ireo, izay sivily, dia efa hikoizana tanteraka amin’ny resaka asan-jiolahy. Zandary am-perinasa kosa ny roa. Araka ny fantatra dia nolazaina fa very ity basy « kalach » ity, raha nentina nanaovana iraka. Satria fananam-panjakana ary fitaovam-piadiana mahery vaika no tsy hita tampoka teo, dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Tsy niandry ela akory dia nivaly izany. Hita tao an-tranon’ireto mpitandro filaminana nihoam-pefy ireto mantsy izany fitaovam-piadiana izany tamin’ny fisavàna ny tranony. Ambonin’izay, dia mbola nahitàna bala maromaro ihany koa tao amin’izy ireo. « Tsara anefa ny manamarika fa talohan’ity tranga ity dia efa nisy ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny “Section de recherche” ao Toamasina izay nahazahoam-baovao ka nahatratrarana vola sandoka iray alina miisa 11 mitentina 110.000 Ariary sy tapaka vody basy tamin’ireto zandary ireto, nandritra izany fisavana natao tao an-tranony. Tsy nahitana irony milina fanontana vola irony kosa anefa tao aminy » hoy ny fampitam-baovao. Efa nolazain’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny zandarimariam-pirenena ombieny ombieny fa tsy handefitra mihitsy izy ireo mahakasika ireo olom-peheziny mivaona amin’ny lalana tsy tokony ho izy sy tsy manaraka ny iraka tokony nampanaovana azy. « Na dia zandary aza no voarohirohy amin’izao raharaha izao dia tsy maintsy ampitoviana amin’ny olona rehetra nandika lalàna ka misy ny fisamborana, fanadihadiana ary fanolorana azy eny amin’ny Fitsarana, izay hosahanin’ny “Section de recherche” Tamatave, mba hofampiharana ny fanamby napetraky ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, amin’ny fanadiovana atao ao anatin’ity zandarimariam-pirenena ity».
m.L