Vehivavy roa sy lehilahy iray, ao anatina tambajotra mpanao hosokana taratasim-panjakana no saron’ny pôlisy avy ao amin’ny Sut Tsaralalàna ny alakamisy sy zoma lasa teo. Tamin’ny fisavàna ny tranony, « fitombo-kasem-panjakana hosoka maromaro, karapanondrom-pirenena hosoka maromaro, taratasy fanamamarinam-ponenana hosoka maromaro, laharana fiara hosoka, fanamiana Mpitandro filaminana, karatra maha zandarimariam-pirenena » no hita tao amin’izy ireo, araka ny vaovao azo avy amin’ny pôlisy. Nahitana milina maromaro fanaovana izany ihany koa tao amin’ireto olon-dratsy ireto. Marihana hoy ny vaovao fa saika vitan’ireto olon-dratsy ireto avokoa ireo karazana taratasim-panjakan maromaro mahakasika ny resaka findramam-bola, eny fa na hatramina taratasina fiara aza, ary mpitandro filaminana roalahy no voalaza fa ao ambadik’izao.
Niainga avy tamina fitarainana orinasa iray mpampindram-bola ny fanadihadiana ka nahafahana nahazo izao vokatra izao. « Nisy fiara lehibe iray natao antoka tamin’ny findramam-bola ka natao antoka ilay izy, marihana fa efa novain’ireto olona ny laharan’ity fiara ity. Mailo tamin’izany ireo mpiasan’ilay orinasa ka dia nanamarina izany teny amin’ny “centre immatriculateur” ka voamarina fa hosoka ity laharana ity » hoy ny vaovao. Sarona teny Morarano Manakambahiny ny lehilahy iray sy vehivavy iray ny alakamisy lasa teo. Nanoro ny namany mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo ka vehivavy iray indray no tratra ny ampitson’io teny an-toerana hatrany. Efa tena rain-dahiny amin’ity fisolokiana ity mihitsy ireto olona ireto, tamin’ny fanadihadiana azy ireo. Fantatra mantsy fa efa ho orinasa maherin’ny enina no efa lasibatra ka efa nahazoan’izy ireo vola mitentina eo amin’ny 100 tapitrisa ariary teo. Ary io tsy eto an-drenivohitra ihany fa na hatrany amin’ny faritany aza. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia mpitandro filaminana roalahy no tena ati-doha ao ambadik’ity raharaha maloto ary efa eo an-dalam-pikarohana azy ireo fatratra ireo pôlisy. Araka izany dia mbola mitohy ny fanadihadiana.
m.L