- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpihazakazaka maraina maty nisy namono

Andoharanofotsy : Mpihazakazaka maraina maty nisy namono

Olona roa izy nanatanjan-tena ary niaraka nihazakazaka no nifanehatra tampoka tamin’ny olona dimy izay nanakana azy ireo avy hatrany. Ny marain’ny asabotsy teo no nitrangan’izany tao amin’ny fokontany Bevalala. Mba tafatsoaka ny iray tamin’ireo ka nahavita nampandre ny zandary izay nidina avy hatrany teo an-toerana. Tsy nisy tratra intsony ireo dimy lahy nidaroka fa ilay olona kosa  no nitsirara tamin’ny tany. Noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana faran’izay akaiky izy saingy tsy tana intsony ainy noho ny daroka isan-karazany izay nihatra taminy. Mandeha ny fanadihadiana ankehitriny ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy. Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana. Raha olona handeha hiazakazaka hanatanjan-tena izany anefa tsy tokony hisy fitaovana na firavaka sarobidy andrandraina loatra. Tsy nanakana ireo andian’olona tsy nanao ny asaratsiny anefa izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici