Efa voavidy ireo entana marobe, izay mitentina eo amin’ny enina hetsy ariary teo ho eo, vao tonga saina ilay mpivarotra fa tsy izy ireto fehezam-bola iray alina ariary maromaro noraisiny. Tranga niseho tetsy Tsaralalàna, ny alakamisy lasa teo.
Efa maty paika tanteraka ny teti-dratsin’ireto roalahy voasambotry ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny vola sandoka ireto. Rehefa voavidy mantsy ireo entana maromaro novidina tamin’ireo vola sandoka, dia handeha hiala avy hatrany eto Andrenivohitra izy ireo. Efa teny amin’ny Fasan’ny karàna vao tratra ireto olon-dratsy ireto. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ireo pôlisy, « tonga tao amin’ny Sut Tsaralalana ny mpivarotra iray ao amin’ny Petite Vitesse nilaza fa nisy olona nividy entana tamin’ny vola sandoka tao aminy. Nandeha teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ka lehilahy iray mpibata entana nirahin’ireo olon-dratsy haka ireo ampli sy bafle novidin’izy ireo no tratra tao ». Tamin’ny famotorana ity farany no nilazany fa, efa miandry azy eny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse ireto tompon’ny entana. Napetraka avy hatrany ny vela-pandrika ka nojokoina teny amin’ny Fasan’ny karàna ireto jiolahy. Vao nahatazana ilay mpibata entana niaraka tamin’ny pôlisy anefa ireto roa lahy, avy hatrany dia nitsoaka. Raikitra teo ny fanenjahana. Tsy lasa lavitra anefa izany dia voasambotra soa aman-tsara ireto fanetriben’ny firenena ireto. Niaiky avy hatrany ireto farany tamin’ny fanadihadiana, fa tompon’ireo vola sandoka, izay mitentina enina hetsy ariary izy ireo. Tany amin’iny faritry Nosy Varika iny no nahazoan’izy ireo ireto vola ireto, ary novidiny efatra hetsy ariary, vola tena izy. Efa teo an-dàlana hanaparitaka ireto vola sandoka ireto mihitsy izy ireo no izao tratra ireo, araka ny fanazavana azo hatrany. Ny alatsinainy teo no natolotra ny Fampanoavana ireto olon-drasy ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany.
m.L