- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Zana-kazo 1500, nambolena ho an’ny taranaka

Zandarimariam-pirenena : Zana-kazo 1500, nambolena ho an’ny taranaka

Zandariamaria mamboly hazo ho fitsinjovana ny ho avy mirindra ho an’ny taranaka. Teny filamatra nentin’ireo teo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fambolen-kazo, teny Miantsoarivo Tsiazompaniry, ao amin’ny kaominina Ambohimiadana, Andramasina, ny zoma lasa teo. Zana-kazo kininina  1500 no novolena. Ireo zandary miasa eo  anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria-pirenenena, ny avy amin’ny FIGN ary ny CFS Ivato no niara-nientana namboly ireo hazo ireo, niaraka tamin’ny  fikambanana TSARAFARA, ny Kaominina ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana. Nandritra ity fotoam-pambolen-kazo ity no nanentanan’ny Sekereteram-panjakana  miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Paza Didier Gérard, ny olom-pirenena tsirairay avy sy ny minisitera isan-tsokajiny mba ho tonga hamboly hazo eto Tsiazompaniry ho fiarovana ny tontolo iainana, izay hita sy tsapa fa mihasimba tsikelikely noho fisian’ny doro tanety sy fitrandrahana ireo ala misy. Marihina fa mbola toerana maro manerana ny Nosy no hanaovan’ny Zandarimaria hetsika fambolen-kazo ho fandraisana andraikitra miaraka amin’ny vahoaka ho fiarovana ny tontolo iainana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici