Nampiantso mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny Tonia mpampanoa lalàna Atoa Lauret Rajaona Thierry, niezaka nanazava ny maahakasika ilay raharaha mpanao fanadihadiana sy mampisambotra ny ben’ny tanànan’i Toamasina navoakany. Raha ny fanazavany, dia “tsy nisy izany didy mampisambotra” ny ben’ny tanàna izany navoakany; nefa raha ny voalaza tao amin’ilay taratasy navoakany ny 03 martsa teo, dia milaza mazava ary voasoratra amin’ny “litera lehibe” sy mbola ao anaty “farango sosona” mihitsy milaza hoe “enquête et arrestation pour violation à domicile et destruction des biens” na “fanaovana fanadihadiana sy fisamborana noho ny fidirana an-keriny an-tranon’olona sy fanimbana fananan’olona”. Noho ity taratasy nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna ity no naha-mailo ireo polisy misahana ny raharaha, noho ilay izy misy ity resaka “fisamborana” nefa ny olona asaina samborina ity tsy iza fa ny ben’ny tanànan’i Toamasina sy ny lefiny ary ireo “gros bras” nirahan’izy ireo nahatonga izao raharaha izao. Nomarihan’ny Tonia mpampanoa lalàna tamin’izao fiantsoana mpanao gazety izao anefa, fa “mbola eny anivon’ny polisy manao ny fanadihadiana ny raharaha hatramin’izao”, koa ho hita eo ny ho tohiny. Ankilan’izay, dia efa tonga eto Toamasina ny ben’ny tanàna raha avy tany ivelany, hatreto anefa tsy fantatra ny fotoana hihainoana azy araka ity taratasy nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna mampanao fanadihadiana sy mampisambotra azy ity. Ny an’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna sy ireo “gros bras” sasany voalazan’ny fitoriana kosa, dia efa vita ny alahady tolakandro sy ny alatsinainy teo raha ny fanazavana “marim-pototra” nangonina. Ankoatra izay, dia fantatra ihany koa izao raha ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna ihany, fa nametraka fitoriana noho ny tsy fanatontosan’ny voakasika tamin’ny tsy fanajana ny lalàna manala azy amin’ny tranony koa ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Koa ho hita eo izany ny ho tohin’izao raharaha izao…
Malala Didier