- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Analanjirofo : Vokatry ny rivodoza ankizy telo maty an-drano

Faritra Analanjirofo : Vokatry ny rivodoza ankizy telo maty an-drano

Efa nahafaty olona sahady tao Maroantsetra ilay rivodoza Enawo, raha vao niditra an-tanety, omaly. Raha ny angom-baovao avy tany an-toerana sy ny vaovao azo avy tamin’ny komitin’ny vonjy taitra ao amin’ny Faritra Analanjirofo tarihan’ny lehiben’ny faritra Ramaroson Jacques, dia ankizy 03 no maty an-drano, ka ny iray tao amin’ny fokontany Andranomahitsy kaominina Manambolo raha niampita rano tamin’ny lakana, ny roa izay 8 taona sy 15 taona tao amin’ny amin’ny kaominina Ambinanitelo raha mbola variana nilalao rano tao anatin’ny fotoan’ny rivodoza. Samy efa hita avokoa ireto ankizy maty an-drano ireto raha ny vaovao azo. Fantatra ihany koa fa maro ny sekoly simba ka isan’izany ny Epp sy ny Ceg ao amin’ny kaominina Manambolo; olona 5 ihany koa voatery naiditra toeram-pitsaboana noho ny fahavoazana nahazo azy ireo, tamin’ny fianjeran’ny tranony. Ankoatra izay dia, voalaza fa maro ny trano simba tamin’izao fandalovan’ny rivodoza izao, manginy fotsiny ireo fambolena toy ny jirofo izay ao anatin’ny famoazany izao, sy ny lavanilina izay miandry fotsiny ny datim-piotazana azy atsy ho atsy…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici