- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fitokonanan’ny mpitari-posy, olona 40 nosamborina

Toamasina : Fitokonanan’ny mpitari-posy, olona 40 nosamborina

Taorian’ny famoahan’ny kaominina tamin’ny alàlan’ny didim-pitondrana noraisin’ny lefitra faharoan’ ny ben’ny tanàna, Atoa Pagny Ricky Dinh-Van, nampiakatra 100% ny hetra sy haba alain’ny kaominina amin’ireo mpitondra « cyclo-pousse », dia nanao fitokonana faobe eran’ny tanànan’i Toamasina ireto mpitondra « cyclo-pousse » ireo, omaly maraina izay niteraka sakoroka sy fitoraham-bato. Saika feno ireto mpitondra posy ireto avokoa ny kihon-dàlana rehetra, ka niteraka fanakanan-dàlan’ireo mpampiasa lalana. Voatery niditra an-tsehatra ireo mpitandro ny filaminana mitambatra nandrava izany fanakanan-dàlana sy tsy famelana ireo fitateram-bahoaka hafa hiasa ireo. Raikitra teo ny sakoroka sy fikasana handrava mpivarotra vokatr’izany, nisy ny fifanenjehana sy fitoraham-bato teo amin’ireto mpitokona sy ny mpitandro ny filaminana, vokany olona 40 no voasambotra ho mpanakorontana. Nisy tao anatin’izay ny fihaonana teo amin’ny Prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille sy ny tonia mpampanoa lalàna ary ireo mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny ben’ny tanàna sy ireo fikambanan’ny posy, satria ny olana dia ilay hetra sy haba 60.000 ariary isan-taona nataon’ny kaominina tamin’ity taona ity, ka raha ny tapaka dia nampidinina ho 50.000 ariary izany nefa 35.000 ariary izay herintaona lasa izay. Ho an’ireto mpitondra posy, dia ny ho fampiakaran’ny tompon’ny posy ny hofany ho 7.000 no tena olana amin’izy ireo, raha mbola 4.000 ariary izany aloha hatramin’izao. Ankoatra izay, dia nisy koa ny fanapahana noraisin’ny OMC Atsinanana amin’ny tsy fahazoana manamboatra posy vaovao intsony eto Toamasina, izay hihatra afaka roa herinandro, ho hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ireo posy vaovao ampidirina eto Toamasina renivohitra, ary ireo posy mandoa ny hetra sy haba eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ihany koa no ho afaka hiasa eto Toamasina renivohitra…
Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici