Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny alatsinainy vao mangiran-dratsy teo. Fiara taxi-brousse iray mampitohy ny renivohitra amin’iny distrikan’i Marovoay iny no namarana ny lalany tany anaty tatatra teo amin’ny PK faha 103+900, teo amin’ny toerana antsoina hoe, Andoharano, ao amin’ny fokontany Ambohitrafoavoany, kaominina Ankazobe. Mpandeha maromaro no naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Ny zava-nitranga : raha iny handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra iny izy no sendra fiolanana roa nifanesy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola sady fidinana ilay lalana. Taitra tamin’izay ny mpamily, izay azo heverina fa efa reraky ny torimaso ihany ka nanitsaka hisatra avy hatrany. Loza efa ho avy ihany koa anefa fa tamin’io fotoana io dia tsy namaly intsony ny hisatra. Tsy azo nialana araka izany ny loza. Niezaka nanarina ny fiara hijanona anaty lalana ihany ny mpamily saingy rehefa tojo ny tsy azo anoarahana intsony dia nivadika ity fiara fitanteram-bahoaka ity ary niafara tany anaty tatatra. Vokany, sivy tamin’ireo mpandeha no naratra mafy ka voatery novonjena haingana tany amin’ny CSB Ankazobe. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireto olona ireto raha ny fantatra. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.
m.L