- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndramasina : Telo mianaka maty notombohana tamin’ny angady

Andramasina : Telo mianaka maty notombohana tamin’ny angady

Ady tany niafara tamin’ny vono olona. Nidina tao amin’ny fokontany Ambatomainty, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Alatsinainy Bakaro,  ny telo mianaka ary nitafa tamin’ny fito lahy izay mbola niasa ilay tany. Ny talata  teo no nitragan’izany, amin’ny antoandrobe nanahary, tokony ho tamin’ny roa ora. Niafara tamin’ny fifamaliana ny resaka ary tsy vitan’izany fa tamin’ny fikasihan-tànana. Asa izay tena zava-nitranga niteraka hatezerana nihoatra ny loha. Nampiasain’ireo fito lahy ny angady ary izany no nataony fitaovana namonoana ireo telo mianaka. Nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny dokoteram-panjakana dia hita fa notombohohana angady tany amin’ny lohany ireo telo mianaka. Nisy mihitsy aza ny nivoaka hatramin’ny atidohany sy ny masony, raha araka ny fanampim-baovaon’ny zandary. Natao ny fanadihadiana ka saron’ny zandary tao anatin’izany ny telo tamin’ireo fito lahy. Mbola karohina kosa izany ireo efatra ambiny.  Raha araka ny fantatra momba ity tranga ity dia monina ao Ambatomainty ihany ireo telo mianaka izay nodimandry noho ny habibian’ireo mpiasa tany. Isan’ny miteraka ady, na ady mivantana izany na koa ady amin’ny fitsarana, ny olan’ny fananan-tany eto amintsika. Any amin’ny fitsarana dia raharaha mahakasika an’izany no betsaka indrindra kirakiraina eo anivony. Lava loatra ny taratasy atao vao azo ny tany. Ao anatin’izany anefa dia tsy vitsy ny mahavita hosoka ary eo matetika no iatombohan’ny ady, izay tsy vita raha tsy an-taonany maro. Indrindra rehefa azon’ny kolikoly ny dosie dia samy milaza ho manana ny marina amin’izay ny mpifanandrina ary tsy manaiky ho resy mora foana. Any amin’ny toerana somary ambanivohitra indray dia miafara amin’ny fikasihan-tànana ny ady amin’ny tany ary raha ireny kariera fitrandrahana vato ireny no ianjadian’ny ady tany dia matetika misy ny ramatahora. Mitondra vadintany etsy sy eroa, miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana ary mandroaka tsotra izao ny olona mampiasa ny tany. Dia herinandro aorian’iny indray dia manao toy izany koa ny andaniny. Mitovitovy hatrany ny fisehon’ny ady…
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici