Tsy vao sambany akory no nandrenesana fa efa manani-bohitra ny dahalo eto Antsirabe fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa tena fahasahiana ny an’ireo dahalo. Tsy lavitra akory fa mbola tafiditra ao amin’ny kaominina Ambonivohitra no nisian’ny fanafihana ny Sabotsy tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo tao Ambalavato, fokontany Andrefan’Ivohitra. Toy ny fitrangan’ny fanafihana any Ambanivohitra ihany no nataon’ireo dahalo tamin’io alina io, ny fanapoahana basy sy fitsofana kiririoka tsy ankiato hoentina hampihorohoroana ny mponina. Tazan’ny tompon-trano tamin’ny lavaka teo amin’ny rindriny ny ny fidiran’ireo dahalo teo am-bala saingy tsy afa-nanao na inona na inona ny tenany noho ny habetsak’ireo olon-dratsy izay nambarany fa tsy latsaky ny folo teo ary maro tamin’izy ireo no nitondra basy. Vala roa no nambaran’ny tompon’omby fa nidiran’ny dahalo, ny iray nahazoany omby 11 ary iray hafa omby 4. Tsy sahy niantso vonjy ny tompon’omby, ny mponina rahateo samy namitsaka avokoa vao naheno ny fipoahan’ny basy teo an-tanàna. Niantso ny mpitandro filaminana ny sefom-pokotany rehefa nampandrenesin’ny tompon’ny vala, saingy efa dila niaraka tamin’ny omby ireo dahalo vao samy nivoaka ny fokonolona niaraka tamin’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavan’ny tompon’omby hatrany dia toa efa tena maty paika mihitsy ny fizotran’ny fanafihana sy ny fandroahana ny omby, nizarazara mantsy ireo dahalo, ny sasany niandry teny amoron’arabe, ny ampahany nandroaka ny omby ary ny hafa manakotaba eo an-tokotany. Vantany vao tafavoaka ny omby, iny ry zalahy no tsy nisy tazana intsony. Ny nahagaga ny maro nanao ny farahan-dia koa anefa, niparitaka tsikelikely teny an-dalana ny omby sasany, asa aloha raha efa paik’ady mihitsy izy ity na votsotra teny an-dalana fa omby miisa 6 no tafangona teny an-dalana tamin’ny fanarahan-dia. Tsy tamina toerana iray akory no nahitana ireo omby ireo fa nizarazara tamina toerana maro, toy ny tao amin’ny havoanan’Itavo, tao Belazao sy tany Andrangy. Lalana izay heverina fa nandalovan’ireo dahalo nandroaka ny omby. Amin’izao ora anoratana izao dia fantatra fa mbola ao Alarobian’i Bemaha ny mpanara-dia ary nisy feo re fa omby maromaro no nandalo tao Tritriva ny Alahady maraina, nambara fa omby tsy lafo teto Antsiabe tamin’ny Sabotsy teo ka roahina amidy ao Alarobian’i Bemaha io.
Andry N.