Dimy ireo trano nirodana, fito kosa ireo efa nivava ka efa nangalàna fepetra manokana, olona roa no naratra vokatr’izay, teny Nanisàna sy Ambanidia. Izay no vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo teto an-drenivohitra, araka ny tatitra azonay avy tamin’ny mpamonjy voina, omaly hatramin’ny valo ora maraina. Nisy efatra kosa ireo hazo nianjera, nisy ny nianjera tamin’ny tariby mpitondra herinaratra, nisy tamin’ny fiara toy ny tetsy Mahamasina. Efatra ihany koa ireo hazo mitady hianjera sy nandraisana fepetra manokana. Andrin-jiron’ny Jirama roa kosa no lavo teny amin’iny faritra Ambohimanambola sy teny Itaosy iny, vokatry ny rivotra hatrany.
Nangonin’i m.L