Vokatry ny fiakaran’ny rano any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo, dia olona dimy no namoy ny ainy maty an-drano navadiky ny lakana, ny zoma sy asabotsy teo, ny telo tamin’ireo tany amin’ny distrikan’i Manakara, roa tao Vohipeno, izay tsy misy hita popoka avokoa hatramin’izao ireo razana, raha ny vaovao voaray. Noho ny fiakaran’ny rano izay hatrany, dia fefiky ny rano avokoa ny ankamaroan’ny voly nantenain’ny mponina hiakatra amin’iny faritra iny. Etsy andaniny, hoy ny tati-baovao hatrany, dia mahazo laka ankehitriny ny aretin-kibo sy taovam-pisefoana, ny baibay ary ny tazo, ka maro amin’ ireo marefo ara-pahasalamana no mandamaka am-pandriana.
Eric Manitrisa