- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Jiolahy mitam-piadiana lavon’ny balan’ny polisy tao Ankofafa

Fianarantsoa : Jiolahy mitam-piadiana lavon’ny balan’ny polisy tao Ankofafa

Jiolahy iray no maty voatifitry ny polisy teo am-pitsoahana, afak’omaly naraina, tao Ankofafa Fianarantsoa, raha azo sambo-belona kosa ny namany miisa valo. Nisy nosamborina hatrany amin’ny distrikan’i Vohibato. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny fanadihadiana an’ireto jiolahy voasambotra, dia toeram-pivarotana 10 no fantatra fa notafihin’izy ireo. Ankoatra ny halatra madinika amin’ny kojakoja andavanandro, kidoro, voamaina, bisky, sns no tena hazan’ ireto olon-dratsy. Tao anatin’ny folo andro, dia nanao tohivakana ny vaky trano tao amin’ny fokontany Ankofafa sy ny manodidina. Voatery miandry an’ ireo jiolahy eo an-tokotany ny mponina miaro ny fananany. Raha ny tati-baovao azo farany, dia mbola misy olona karohina amin’izao raharaha izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici