Mpitandro ny filaminana manao ny asany amin’ny fisavana fiarakodia no nojokoin’ny jiolahy moramora avy tao aoriana ka dia nobedainy hakana ny basy teo aminy. Raikitra ny fifampitolomana, satria namaly ilay polisy. Naharitra tany amin’ny 15 minitra tany ho any ny fifampitolomana ,ka raha tsy nalaky tonga ny naman’ilay polisy dia asa foana izay nitranga .Niasa tany amin’ny tanànan’i Morarano chrome Amparafaravola ireto polisy ireto ka na dia vao tamin’ny 9 ora maraina aza ny andro dia tsy natahotra mihitsy ity jiolahy, izay somary be vatana ihany .Voasambotra moa ity voalaza fa jiolahy ity ka efa natolotra ny fampanoavana ka efa nampidirina ny fonjan’Ambatondrazaka .Araka ny fanazavan’ny kaomiseran’ny polisy Amparafaravola dia matetika misy jiolahy mitsapa tahak’izao ireo mpitandro ny filaminana ireo ka efa mailo hatrany izy ireo.
Janus