Ny alin’ny alahady 12 martsa hifoha ny alatsinainy teo, dia vaky indray ny fasana misy ny razamben’ireo foko Mikea milevina efa ho 500 taona, ao amin’ny fokontany Ranobe distrikan’i Toliara II. Razana miisa 29 indray no nisy nangalatra tamin’io andro io, ka lasan’ireo olon-dratsy mpamaky fasana avokoa ny taolan-dava rehetra. Raha ny fanazavana azo tamin’ny fianakavian’ny tompom-pasana, dia tamin’ny fotoana nirotsahan’ny orana no nanararaotra nanao ny asa ratsiny ireo mpamaky fasana. « Misy fianakaviana iray malaza amin’ny fandravana tanin’olona mikasa hanala anay taranaka Mikea amin’ny toerana misy fasan-drazanay. Efa nisy fandrahonana sy fikasihan-tanana nataon’ireto andian’ olona ireo anay, ary tafiditra ao anaty paikadin’izy ireo amin’ny fandravana tany izao vaky fasana izao ». Raha ny fantatra hatramin’izao, dia olona dimy voarohirohy amin’ity raharaha ity no efa voasambotry ny mpitandro filaminana ka hatolotra ny fitsarana. Manoloana ireo fisamborana ireo dia mandrahonana ho faty an’ireo taranaka Mikea ao Ranobe ireo fianakaviana mpamaky fasana sy mpandrava tany mahery setra ireto. Vokatr’izany, miaina ao anaty horohoro tanteraka ankehitriny ireto taranaka Mikea, ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa sy ny fanjakana foibe ho fiarovana ny ain’izy ireo sy ho famongorana ireo olon-dratsy milaza ho tsy maty manota.
Eric Manitrisa