- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpanao varo-maizina rongony saron’ny pôlisy

Moramanga : Mpanao varo-maizina rongony saron’ny pôlisy

Rongony milanja 16 kilao no saron’ny polisim-pirenena rehefa nokasaina ny hamidy eto Moramanga ny alin’ny sabotsy 11 mars 2017 tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo ho eo. Nodorana teo imason’ny mpitondra fanjakana ny harivan’ny 13 mars 2017. Vao nahita ny mpitandro filaminana ity mpivarotra rongony ity dia nitsoaka avy hatrany ka nahatonga ny fanenjehana azy ireo mpitandro filaminana rahateo am-perinasa amin’ny fanaovana fisafoana ny tanàna. Efa mahazatra ity raim-pianakaviana ity ny mamelona ny vady aman-janany amin’ny fanaovana varo-maizina toy izao hoy ny nambarany nandritra ny fanadihadiana azy. Avy any Ambatondrazaka no hanafarana ny entana ary amidy eto Moramanga sy Antananarivo izany. Tsy hijanona amin’izay fitadiavana sy famongorana izao fanapariahana zava-mahadomelona izay anisan’ny mitondra fanakorontanana izao ny polisim-pirenena eto Moramanga fa hanamafy hatrany ny hetsika izay efa natomboka.  Ity alina ity ihany dia nifanandrify tamin’ny fisian’ny fanafihana nitam-piadiana teto Moramanga izay naharatrana vehivavy bevohoka. Vola 6.000.000 ar sy finday valo fampiasa amin’ny fandefasana sy fakàna vola no lasa.Efa any am-poja ny iray amin’ireo mpanafika ny alahady hariva ihany vokatry ny fiaraha-miasan’ny polisim-pirenena amin’ny fiara-monina eto Moramanga.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici