- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Tompon’omby iray maty notifirin’ny dahalo

Ihosy : Tompon’omby iray maty notifirin’ny dahalo

Ny alin’ny alarobia, andro  nidiran’ny rivodoza Enawo  iny, teo eo amin’ ny 11ora sy sasany alina, tao amin’ny tranony 600 metatra eo atsimo andrefan’ny fokontanin’ Ampandratokana, kaominina ambanivohitra Ankily, distrikan’Ihosy, raha nandre feon’olona miresaka mangingina ao ivelan’ny tranony ilay rangahy dia nosokafany kely sy moramora ny varavaran-kelin’ny tranony avaratra izay mifanitsy amin’ny valan’ombiny. Mirehitra koa moa ny jiro ao an-trano ka ahitan’ireo dahalo azy mitsidika ivelany eo amin’io varavaran-kely io. Nahitsin’ireo dahalo avy amin’ny maizina tao ny tifitra basy ka nahavoa ilay rangahy teo amin’ny ravin-tsofiny mifanitsy amin’ny saokany. Rahefa fantatr’izy ireo fa voa ilay rangahy dia nasesin’ireo dahalo nivoaka tao am-bala ny ombiny miisa enina. Ny poa-basy no nanaitra ny fokonolona mpiray tanàna ka nirohotra nankany izy ireo. Rahefa nahita ny fahavoazan’ilay rangahy sy nitantaran-dramatoa vadiny ny fokonolona dia lasa nanara-dia an’ ireo dahalo fa ny sasany nitondra an’ilay rangahy voatifitra tamim-pilanjana ka nandalo ao Ankily ho eny amin’ny hôpitaly, 7 kilaometra miala an’Ihosy. Rehefa tonga teny amin’ny hopitaly anefa ilay rangahy dia maty. Tonga nanara-dia teny amin’ny hopitaly ny polisy ka ny fiaran’izy ireo no nandeha nijery ifotony ny toerana nolalovan’ireo dahalo. Ary niangavian’ireo fokonolona mba hitondra ny razana hiverina tany an- tanana.

REMI Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici