- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilÀ lireRN9 : Bolabolana hazo sarobidy 62, saron’ny mpitandro filaminana

RN9 : Bolabolana hazo sarobidy 62, saron’ny mpitandro filaminana

Fiara lehibe iray nitondra bolabolana kazarana hazo sarobidy  62 no saron’ny zandary be môtô tamin’ny lalam-pirenena fahasivy iny, tao Mangily Toliara II, ny herinandro iny. Fantatra araka ny fanazavana voaray, fa avy any amin’ny kaominina Tsianisiha distrikan’i Toliara II ary hoentina ao Toliara renivohitra ireto hazo, izao tra-tehaka izao. Nahitana voamboana tamin’ireo hazo voarara sarona nentin’ity fiarabe ity. Tsy nahitana taratasy fahazoan-dàlana kosa rehefa nosavaina ilay kamiao. Nilaza ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, fa efa maty paika ny firindran’ny asan’izy ireo amin’ny famongorana ireo hazo tsy nahazoana alàlana sy ireo izay mibizina izany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin’ny sampan-draharaham-paritry ny Rano sy Ala Atsimo Andrefana, dia fantatra sy voasambotra ny tompon’ireo hazo tra-tehaka, ka hatolotra ny fitsarana tsy ho ela. Efa nogiazana ao amin’ny biraon’ny ala ao Toliara ireo hazo sarona.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici