- Publicité -
jeudi, août 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Zone franche » : Ramatoa maty amperin’asa nojerem-potsiny

« Zone franche » : Ramatoa maty amperin’asa nojerem-potsiny

Tsy nampihotsona akory na ny kely aza ny tompon’ilay orinasa afaka haba rehefa nilazàna ny fahavoazan’ny ramatoa iray izay miasa eo aminy. Nandoa rà ary tsy tafatsangana intsony fa nitsotra tamin’ny tany noho ny aretiny. Ny mpitsabo indray mody nanome pilina iray, asa mba entina hialàna bala fa efa nandray an-tànana izy. Ny niafarany dia maty tao amin’ilay toerana ilay ramatoa. Ny namany mpiara-miasa no niantoka ny fanaterana ny razana teny an-tranon’ny fianakaviany. Raha araka ny fantatra dia efa nitaraina tamin’ny mpampiasa azy ilay ramatoa ary nangataka fiatoana kely amin’ny asa mba hitsabony ny tenany. Fandrahonana fandroahana anefa ny valin’izany. Noho ny tahotra dia nikiry ilay ramatoa ny nijanona nanao ny asa andavanandrony ary izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Mba ho firaisan-kina tamin’ny zava-nitranga dia nisy ny mpiara-miasa izay nanapa-kevitra ny nivoaka ny toerana. Raha nahatsikaritra izany indray ny mpampiasa dia nidiny ny orinasa ary amin’izao fotoana izao dia mainka koa miteraka adin-tsaina ho an’ny mpiasa izany, sao ho voaroaka. Toa izany no iainan’ny olona miasa eo anivon’ny orinasa afaka haba sasantsasany. Amin’ity tranga ity dia tsikaritra ny fisian’ny tsy fanarahana ny lalànan’ny asa ary indrindra koa ny tsy firaharahiana olona miady aman’aina. Singa roa izay mety hivadika raharaha momba ny heloka bevava raha entina ara-pitsarana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici