- Publicité -
vendredi, août 8, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Zazavavy kilemaina nohararaotin’ny dahalo

Sakaraha : Zazavavy kilemaina nohararaotin’ny dahalo

Na dia eo aza ny fisian’ny Dinabe, dina ifampifehezan’ny fiaraha-monina iadiana amin’ny asan-dahalo sy fahalovana ary ny asa ratsy rehetra, dia mbola voasokajy ho anisan’ny faritra mena hatrany eo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana ny distrikan’i Sakaraha, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tovovavy kely iray 15 taona sady moana no malemy no nisy nanolana ka bevohoka. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray, dia malaso iray tamin’ireo andian-dahalo nanafika tanàna tany an-toerana, roa volana lasa izay, no nanolana an’ity ankizivavy sembana ity. Amin’ny trangam-piarahamonina toy izao dia tsy afaka nanao na inona na inona ny fianakaviany fa dia miandry ny rariny, satria ilay dahalo mpanolana sady tsy hita no misy azy no tsy voasambotra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici