Mbola voatonontonona indray ny anaran’i Djaffar, ilay jiolahy rain-dahiny tamin’ny fakàna an-keriny karàna teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ny faritany, ary efa manefa ny saziny eny Tsiafahy amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa anisan’ny niray tambajotra taminy, ary toa hoe izy no atidoha nikotrika ilay fakàna an-keriny ny talen’ny orinasa Caromad, niseho tetsy Tanjombato ny efatra janoary lasa teo. Efa avotra ny andron’ny 10 janoary teo ihany ity Karàna ity, rehefa naloan’ireo fianakaviana ny volabe notakian’ireo mpaka an-keriny ho sandan’ny famotsorana azy. Na dia teo aza ny somary fahasahiranana teo amin’ny fifandraisana tamin’ireo fianakaviana dia tsy nahasakana ireo zandary avy amin’ny Sampana Fikarohana Heloka bevava etsy Fiadanana tsy hanokatra ny fanadihadiahana eo amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy izany. Vokany, olona enina no voasambotra, voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ny herinandro lasa teo, araka ny fanazavàna azo tamin’ny lehiben’ity sampana ity, nampiantso mpanao gazety omaly. Teratany karàna ny iray, izay raha ny fantatra dia toa hoe fianakavina akaikin’ity mpaka an-keriny rain-dahiny ity ihany. Mpiray tsikombakomba sy iray tamin’ireo nandray anjara nivantana tamin’ilay fakàna an-keriny ireto voasambotra ireto. Mbola mitohy araka izany ny famotorana sy ny fikarohana ireo ambiny. Marihana fa andian-jiolahy niisa dimy, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no naka ity karàna ity, tamin’io fotoana io. Ny fanazavàn’ny tompon’andraikitra ihany no nahafantarana fa tsy nisy fitaovam-piadiana hita teny amin’ireto olona voasambotra ireto. Ireto farany, dia niaiky tokoa ny heloka nataon’izy ireo, ary nanambara fa mifandray amin’i Djaffar izy ireo. Porofon’izany rahateo ny nahavoarohirohy ilay voalaza fa fianakaviany, izay nampandalovana ny fiara nitondrana ilay teratany karàna nalaina an-keriny. « Villa » iray teny amin’iny faritra Ambohijanaka iny no nitazoman’izy ireo ilay talen’ny orinasa. Trano, izay efa nofaina roa volana talohan’ilay fakàna an-keriny, araka ny fantatra hatrany. Niainga tamin’izay no nahafahan’ireto zandary ireto nanomboka ny fikarohana, ary izao niafara tamin’ny fisamborana olona enina izao. Mbola miantso ny fiaraha-miasa amin’ny tsirairay hatrany ireto mpitandro filaminana ireto, ny amin’ny fikarohana ireto olon-dratsy efatra, mbola karohina amin’izao fotoana izao. Raha ny mikasika ireo voasambotra kosa, omaly ihany no natolotra ny Fampanoavana izy ireo, niaraka tamin’i Djaffar, izay nalaina indray tany am-ponja nentina teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana.
m.L