- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ramatoa mpangarom-bavan-jazakely, matin’ny fitsaram-bahoaka

Antsirabe : Ramatoa mpangarom-bavan-jazakely, matin’ny fitsaram-bahoaka

Faritra tsy dia mbola nandrenesana fitsaram-bahoaka loatra raha ny eto Antsirabe. Saika nilamindamin-dratsy hatrany raha vao misy tranga hafahafa na tsy fandriampahalemana, ary voafehin’ny mpitandro filaminana hatrany izany. Tsy izay anefa no nitranga tamin’ity indray mitoraka ity, fa notaperin’ny fokonolona ny ain’ilay ramatoa iray malazaratsy  ho mpamosavy mpangarom-bava olona.  Manodidina ny 50 taona eo ity ramatoa ity,tsy misy izay tsy mahalala ny ataony sy ny laza ratsiny amin’ny famosaviana raha eto Antsirabe. Mirenireny manerana ny tanàna izy ary voalaza fa mangarom-bava ireny zaza ireny sy olona varimbariana ireny. Voalaza hatrany araky ny tsilian-tsofina fa, tsy misy maharitra fa maty avokoa izay voaharony vava. Nanambara ny fianakaviany, fa efa in-telo izao ity ramatoa no saika novonoin’ny olona noho io ataony io, saingy avotry ny polisy. Efa nisy mihitsy aza hoy ny fanazavana ny tsindrona antsy nahazo azy  fa mbola avotra ny ainy tamin’izay. Tsy nahasakana ny asa ratsiny anefa izany rehetra izany, fa mbola nanao ny nataony teny ihany ilay ramatoa, tànana zatra nitsotra tokoa. Ny Alatsinainy hariva tao Ambohimahazo , mpitari-posy naka aina tamina toerana mangigina ary  resin-tory teo ambony posiny teo  no saika haronin’ilay ramatoa ny vavany. Taitra afena ilay rangahy ka avy hatrany dia nikasi-tànana ilay ramatoa, ny manodidina koa nahatsikaritra ary efa nahafantatra ity farany ka samy namango daholo. Mbola afaka nandositra ihany ilay ramatoa, saingy tsy lasa lavitra dia tratran’ny fokonolona teo ambonin’ny reniranin’i Sahatsiho ka teo no nanaperan’ny olona ny ainy. Navalan’ny fokonolona rano ilay ramatoa rehefa tsy nisy aina intsony, notsindriana baingan-tany ny ilany ary notontana  vato malao ny lohany.  Tonga nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-nisy ny polisy sy BMH ary fantatra fa efa nalain’ny fianakaviany ny razana. Voalaza moa fa tsy dia salama saina loatra ity ramatoa ity ary efa notsaboina teny amin’ny toby Ambohimahazo, talohan’ny nahafaty azy izao dia nisy nanambara fa vao haingana izy io no nangaron-delan-jaza tany Mandray ka maty ilay zaza. 

 Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici