- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers“Visa” sandoka : Turcs 13 namoahana didy fandroahana

“Visa” sandoka : Turcs 13 namoahana didy fandroahana

Nahataitra ny maro, ny nahazoan’ireo Turcs 14  fahafahana vonjimaika rehefa nentina teny amin’ny Fampanoavana, ny tapaky ny volana febroary teo. Izy ireo dia nohadihadiana rehefa tratra nampiasa “visa” sandoka sy nanao asa tsy ara-dalàna noho ny tsy fisian’ny “visa”. Omaly kosa anefa, dia mba velon-tsiky kely izay nanaraka akaiky ity raharaha ity raha nahafantatra fa nivoaka ny didy fandroahana azy ireo (mesure d’expulsion) avy amin’ny ministera tompon’andraikitra. Ny 13 amin’ireo no voakasik’izany raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana izay niandraikitra avy hatrany ny fitazonana azy ireo mandra-pialany eto Madagasikara. Tazonina ao amin’ny biraon’ny pôlisy miandraikitra ny fanaraha-maso ny sisin-tany ireo turcs voakasika, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Manoloana ny zava-nitranga, dia nisy andian’olona izay niezaka ny niaro ireo Turcs izay nandraisan’ny fanjakana fepetra ireo. Ny kolejy iray etsy Antanetibe omaly, izay manao ny rafi-pianarana amin’ny teny Turc, dia nanetsika ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba hiaro ireo olona horoahin’ny fanjakana. Nangataka izy ireo mba ho tapitra ity taom-pianarana ity vao halefa ireo olona, satria ireo farany dia mampianatra eo anivon’io kolejy io ny ankamaroany. Nisy sahy nitsangana aza, fa tsy “visa” sandoka izany no nampiasain’ireo olona ireo satria efa hatramin’ny taona 2002 no niasa teto Madagasikara  ary teo amin’ny sehatry ny fampianarana. Ho an’ny mpanara-baovao, dia be loatra ny vahiny tsy manara-dalàna eto amintsika ary tsy vitan’izay tsy misy taratasy mazava fa mbola manao herisetra, indraindray aza heloka bevava. Ny akaiky indrindra, dia ny fisian’ilay teratany sinoa izay namono nahafaty ny mpivady sinoa ihany koa, tetsy Ivato. Nomarihany fa, nisy naniraka izy ary nokaramaina tamin’ny famonoana. Toa lasa feno fakom-bahiny ny Renivohitra…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici