# Nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fitsarana ny raharaha Rehavana Michel. Pôlisy iray ihany no nipoitra teny an-toerana dia tsy iza izany fa ny lehiben’ny kaomisaria foibe tany Toliara tamin’izany fotoana. Tsy dia naharitra ela ny fitsarana dia nisintona rehefa voarainy ny dosie ary nanapa-kevitra ny hanohy ny fitsarana amin’ny fotoana ahafahana mitsara raharaha ady heloka bevava manaraka. Omaly, tetsy Anosy dia tonga maro ny olona izay nahitàna ny havan’ny maty ary koa ireo izay akaiky ireo pôlisy voarohirohy tamin’ity raharaha ity.
# Mirongatra tanteraka ny fitsaram-bahoaka. Afak’omaly ohatra dia olona efatra no indray maty tamin’ny toerana efatra samihafa. Sarona nangalatra ny telo tamin’izy ireo ary ny fahefatra kosa dia voatondro molotra ho mpamosavy ka natsipy tany anaty renirano. Ny tena nahavarina dia tsy tany amin’ny faritra avokoa no nisehoan’ireo tranga fa nisy teto am-povoan-tany : Fianarantsoa, Antsirabe, toerana izay tsy mbola nisehoan’ny fitsaram-bahoaka hatrizay. Midika izany fa efa mitatra tsikelikely erak’i Madagasikara ilay fomba ratsy izay hatreto dia tsy mety nahitam-bahaolana.
# Nidiran’ny enin-dahy mitam-basy tao an-tranony ny tompon’ny restaurant “poulet gris” ao Ivoloina-Toamasina. Nitifitra ireo jiolahy rehefa nitsoaka ary mainka koa izany nampikoropaka ny iray trano. Vehivavy iray no naratra noho ny fifanosehana. Lasa nandritr’ity fanafihan-jiolahy ity ny vola, volamena, solosaina.
Nangonin’i D.R