- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Misy fiaran’ny mpitandro filaminana mivarotra volamena

Analakely : Misy fiaran’ny mpitandro filaminana mivarotra volamena

Tezitra ny mpividy sy mpivarotra volamena satria misy mizana  tsindrian’ila mitranga eo Analakely. Izy ireo dia tsy avela manao nyasany, ary izany dia araky ny lalànamanan-kery. Ny fanatontosana izany asa izany dia lasa an- kiafinafina, ary hita mivantana rahateo ny fitrangany eo am-povoan-tanàna. Misyolona mitsangatsangana ary manontany tsimoramora.Efa any anaty kitapony ny fitaovana fandanjana sy fitiliana ny entana. Tamin’ny voalohan’ity herinandro ity dia nampiaka-peo izy ireo noho ny fisian’ny fiara roa izay tsy azo kitihina eo an-toerana kanefa manao ny asa fivarotana na fividianana volamena mitovy amin’ny besinimaro. Tsy miafina mihitsy io fiara io sy ny olona ao anatiny fa mipetraka lalan-dava eo Analakely ary manao ny asafivarotana volamena. Nanomboka tamin’ny voalohan’ny herinandro ity no nampiaka-peo ireo mpivarotra hafa satria voalohany izy ireo dia sahirana hatrany amin’ny fanatontosana ny asany ary efabetsaka aza no nidoboka am-ponja noho izany tsy ara-dalàna. Faharoa manarak’izany anefa dia lasa mamono ny tsena ny fisian’ireo fiara roa izay amin’izy ireo dia miendrika  mizana tsindrian’ila sy fanamparam-pahefana ny fijery azy. Fantatr’izy ireo mantsy fa mpitandro ny filaminana no tompon’ny fiara. Niteraka resa-be hatrany teto an-drenivohitra ny fivarotana  volamena  etsy Analakely satria nolazaina fa miendrika fanondranana ny harem-pirenena no sady koa mampirongatra ny asan-jiolahy. Lasa vola haingana ho an’ny mpanendaka mantsy izany satria manao ny asaratsiny izy misintona ny firavaka ary tsy misy 100 metatra avy eo dia lafony izay. Izany rehetra izany no antony nandrarana ny fividianana sy fivarotana volamena teo Analakely. Izao indray anefa dia misy mpitandrony filaminana manararaotra izany tsy fahafahana izany mba hanamparany ny fahefany ka ny fiarany ihany no…mahazo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici